Endonezya dilinde

Transkript

Endonezya dilinde
Endonezya dilinde Ny Maritiora
Écrit par Prof. Abdulhakim Yuce
13-09-2007
Mety ho maritiora ve ny mpampihorohoro iray?
Mba hahazoana na hamahana olana na toy inona na toy inona dia ilaina
aloha ny mamantatra ny antony nahatonga azy. Raha tsy izany dia tsy
mahomby ny fandalinana, ny fanazavana sy ny vahaolana rehetra. Raha ny
tanjona ambony toy ny maha maritiora no mety ho zavatra atao amin'ny asa
tsy voamarina dia ilaina ny manadihady io toe-javatra io amin'ny lanjan'ny
rehetra sy manorina ny fandalinana azy ami'nio fomba fiasaio. Na dia izany
aza dia tsy hifototra amin'ny fandalinana toy izany isika fa saika hiompana eo
amin'ny fitadiavana valim-panontaniana ny atao hoe maritiora ary iza no atao
hoe maritiora amin'ny finoana silamo.
Ireo olona faka tahaka
Ao amin'ny loharano roa fototry ny finoana silamo, ny CORAN sy ny SONA
dia vondron'olona efatrano aseho sy omem-boninahitra ho toy fakatahak
hoan'ny olombelona: ny Mpaminany, ny Siddîq (ireo olo-mendrika tsy misy
tohina), ny chahîd (ny maritiora na ny vavolombelona) sy ny Sâlih (ny
olomarina). (Nisa 4:69). Ny voalohany amin'ireo no maneho ny ambony
indrindra sy ny fahatsarana mety ho tratran'izay maniry azy sy manao ezaka
ho amin'izany satria Andriamanitra irery ihany no mifidy izay tiany ho
Mpaminany ary izy no manafy fahamarinana aminy. Io lalana io dia mikatona
taorian'ny Mpaminany farany dia i Mohammed. Iretsy sata telo hafa dia ny
fahamendrehan'ny fo, ny maritiora sy ny fahamarinana. Eto isika mazava
loatra no handinika mikasika ny maritiora.
Ny singa fototra maha maritiora dia satria vavolombelon'ny fahamarinana teo
amin'ny fiainany izy sy teo amin'ny fitondrantenany. Fanampin'izany ahitan'ny
fijoroana ho vavolombelon'ny fahamarinan'ny ghaïb (ny tontolon'ny tsy
fantatra sy tsy hita) amin'ny alalan'ny fahatsapana ao anaty ny maha
maritiora, toy ny hahatsapan'ny olona aradalana ety ivelany ny tontolo
arabatany. Amin'io hevitra io no ampiasan'ny CORAN ny teny hoe «chahîd»
(maritiora/vavolombelona)
sy
«chachâda»
(maritiora/fijoroana
ho
vavolombelona). Vokany, fanovan-javatra ny fiantsoana ho maritiora ireo izay
manao sorona ny ainy hoan'ny fitiavana an'Andriamanitra. Antsoina hoe
«vavolombelona» (maritiora) ireo satria vavolombelon'ny fahamarinana izay
inoany lalina fa vonona izy ireo hamoy ny ainy amin'izany.
Mandrakariva ny maritiora dia mahatratra ilay fahamboniana katsahin'ny
silamo rehetra. Ny maritiora dia nanjary loharanon-jery hoentin'ny silamo
handresy ny fahavalo izay matanjaka tanteraka noho izy na maro noho izy.
Raha mifandritra amin'izany dia miahiahy sy mihemotra manoloana ny
maritiora ny silamo, miafara amin'ny fahareseny izany. Ohatra, ny hoe silamo
ny tafiky ny Timour dia niteraka ny faharesen'ny tafika Ottomane tamin'ny ady
tao Ankara satria nihevitra ireo miaramila ottomane fa tsy hahazo ny satan'ny
maritiora na ny «ghâzî» (olona maherifon'ny ady) (Gögbilgin, 1977).
Moa va ny maritiora dia sata azofotsiny ihany koa satria matin'ny miaramila
tsy silamo nandritry ny ady; tsy miantoka ny maha maritiora ny toe-javatra toy
izany. Ny fahafatesana ao ampelatanan'ny tsy silamo dia emty ho tonga koa
amin'ny antony hafa tsy misy hifandraisany tamin'ny ady. Na dia ireo maty eo
ampelatanan'ny mpino masika na izay maty noho ny fanapoizinana, na maty
andrano na tamin'ny faritoe-javatra toy izany dia emty ho maha maritiora.
Noho izany ny maritiora dia laharana ara-panahy izay tena mibahantoerana
ao ny fihevitra manokan'ilay olona. Raha hafa noho izany dia nangataka ho
vonoin'ny tsy silamo avokoa ny silamo rehetra fa tsy naniry ny ho
maritioran'Andriamanitra. Ny maniry ho mitolona mba ho velona sy handresy
ny mpino fa tsy misafidy ny ho faty. Tsy mety ho maritiora izy raha efa niady
mafy tamin'ny heriny manontolo mba handresy amin'ny ady kanefa maty avy
eo. Vokany, na dia maritiora aza no tao am-pon'ilay olona, raha misafidy ny
fahafatesana fa tsy ho velona mandrapahatapitry ny ady hoan'Andriamanitra
izy dia azo heverina ho toy ny famonoan-tena izany. Nandray ny fitandremana
rehetra ilaina ny Mpaminany sy ireo mpanaradia azy mba tsy ho faty; tsy
nitady ny fahafatesana izy ireo. Nitondra azy mba tsy ho faty; tsy nitady ny
fahafatesana izy ireo. Nitondra fiarovan-tena izy ireo, niaro vatana tamin'ny
ampinga nandritry ny ady, nihemotra izy matetika na nandavakahadivory raha
nilaina izany. Amin'ny teny hafa, na iza na iza miditra amin'ny ady mba
hahatratra io tanjonaio dia tsy ampy hahazoana ny maha maritiora.
Iza no azo antsoina ho maritiora?
Ny maritiora dia ireo izay manaraka ny lalana nosoritan'Andriamanitra hoan'ny
olombelona mpino, lalana mitondra mankamin'ny fankatoavan'Andriamanitra,
ary izy ireo dia maty na novonoina kanefaniezaka tsy hivily tamin'izany lalana
izany, na koa ireo izay maty nandritry ny fiarovany ny soa toavina izay
nodidin'Andriamanitra harovana. Omem-boninahitra sy hajaina ho maritiora
ireo olona ireo. Ambara ao amin'ny loharanon'ny literatiora silamo matetika
ireo sokajy telon'ny maritiora: ny maritiora tonga lafatra, ny maritioran'ity
tontolo ity sy ny maritioran'ny any ankoatra.
Ny maritiora tonga lafatra
Ny maritiora tonga lafatra dia izay mahafeno ny fepetra mahamaritiora eo
imason'Andriamanitra ary vita taminy ny fomba fandevenana maha maritiora.
Izao no atao mandritry ny fandevenana ny maritiora tonga lafatra:

Tsy sasana ny faty.

Tsy fonosana lamba mena ny faty

Tsy tanterahina ny fivavahana atao amin'ny fandevenana (io farany io
anefa dia mbola miteraka ady hevitra).
Misy teboka 6 fenoana mba ho azo sokajiana ho anisan'ireo maritiora tonga
lafatra ny olona iray:
1- Ny finoana: ny fepetra ilaina voalohany indrindra aloha dia tsy maintsy
mpino ilay olona (silamo). Ny tsy silamo dia tsy afaka mahazo ny tombontsoa
ara-panahy mifanaraka amin'ny finoana silamo, anisan'izany ny laharana
maha maritiora.
2- Ny andraikitra: araka ny fotokevitra silamo, mba ho azo raisina ho
tompon'andraikitra ny olona iray dia tsy maintsy salama saina sy efa tonga
taona.
Vokany,
ny
zaza
sy
ny
manankilema
ara-tsaina
dia
tsy
tompon'andraikitra. Tsy emty ho mpifanina ho maritiora tonga lafatra izy rieo.
Izany no hevitry ny Imam Amza. Ny manam-pahaizana hafa kosa dia milaza
fa «ireo rehetra tonga taona sy ireo izay tsy tona taona dia tsy mitovy amin'ny
lafiny maha maritiora. Amin'ny fiheverana fa ireo efa tonga taona koa dia
heverina ho silamo raha maty eo ampiadiana amin'ny fahavalo dia efa nanao
toy ny nataon'ny tonga taona izy ireo. Ny fitsarana no mitsara azy amin'ny
fomba mitovy. Mba hanamafisana io fomba fijery io dia ambara ny fomba
nametrahan'ny Mpaminany ny maritiora tamin'ny ady tao Ouhoud satria nisy
olona mbola tanora dia tanora toandr'I Harith ibn Nou‛labe tokoa tamin'izy
ireo» (Zuhayli 3:105).
3- Ny fahaduiovana: ny maritiora dia tsy maintsy madio araka ny fahadiovana
voasoritry ny lasitra. Araka ny voalaza ao, nylehilahy ao anatin'ny filana ny
fanavaozana ny fidiovana lehibeny (Jounoub) sy ny vehivavy mandeha
fadimbolana dia tsy manatrika ny fandevenana ny maritiora tonga lafatra;
izany ho emba hadio ny vatan'ilay olona amin'io fepetra io. Fa ankoatra izany
koa, io fitsarana io dia an'ny Imam Azam ihany. Araka ny voalazan'ny
manampahaizana hafa toandr'I Imam Mohammed, Abou Youssouf, chafi‛I,
Ahmet ibn Hanbal sy Iman Malik, ny maritiora irery ihany dia efa ampy
hanadio ny tsy fahadiovana ka tsy mila sasana ny vatany rehefa ao amin'ny
fepetra maha maritiora izy. Manohana ny heviny ireo manampahaizana
voalaza ireo amin'ny filazany ny tranga tamin'I Handhala ziay nandray anjara
tamin'ny ady nahafaty azy tao Ouhoud. Vao avy natao raharahampanambadiana izy ary maika hamonjy ny ady ka nahavita ny fidiovana akory
(izay takoana aorian'ny fanaovana firaisana ara-nofo). Na dia nampatsiahy ny
Mpaminany ny tsy fahadiovany aza ny vadiny tamin'ny fotoana nahafaty azy
dia nanambara ny Mpaminany fa ny anjely no nanadio azy ary alevina tsy
ampandroina izy (toy ny maritiora rehetra) (Ibn Abidin 3:514).
4- Ny vono olona tsy andrariny: ireo izay tsy novonoina noho ny antony
marina –ohatra, fanamelohana ho faty ara-dalana (araka ny lalana maso
solon'ny maso) noho ny heloka- dia heverina ho maritiora tonga lafatra.
5- Tsy tokony ho «mourta» (maratra andosirana amin'ny ady): io teny io izay
midika ara-bakiteny hoe «olona naratra nandritry ny ady ka nafindra tamin'ny
toeran-kafa»anisan'izany ireo tsaboina, mihinana, misotro, matory, miresaka
lava, maneho ny faniriany farany na manao zavatra toy izany alohan'ny
hahafatesana. Raha ireo zavatra ireo izay heverina fa an'ny tany no tonga
aorian'ny faharatran'ilay olona ka entina amin'ny toeran-kafa izy, noho izany
dia tafiditra ao anatin'ny sokajin'ny «mourtas» izy. Raha hita teo amin'ilay
toerana naharatra azy anefa ireo zavatra ireo kanefa nitohy ny ady dia
maritiora tonga lafatra izy. Manazava sy manamafy ireo fepetra ireo ny
trangan'i ‛Othmane sy ‛Ali (ny kalifa faharoa, sy fahatelo sy fahefatra). I ‛Omar
sy ‛Ali dia nentina tany amin'ny toeran-kafa rehefa naratra mafy. Nosasana ny
vatany. I ‛Othmane idnray izay maty teo no ho eo dia tsy nosasana ny vatany
ka nalevina tamin'ny fomba fandevenana ny maritiora tonga lafatra izy.
6- Tsy voatery ny vidindra: ao amin'ny lalana sl, ny vonoan'olona dia
mahavoasazy amin'ny lalana maso solon'ny maso. Matetika raha tsy
fanahiniana ny famonoana dia tsy ampiharina ny (qissâs) lalana maso
solon'ny
maso.
Ohatra,
raha
natao
atondro
be
nanahary
teny
antampontanana ny asa ratsy, tamin'ny fandakana na nokapohina tamin'ny
karavasy ka tsy ny tena hamono no tanjona dia tsy ampiharina ny maso
solon'ny maso. Vokany, araka ny lalana silamo, heverina ho maritiora ny
niaran-dozam-pamonoana; ireo izay novonoina ankoatra izany anefa dia tsy
heverina ho maritiora (Al-Kassani 1/321). Ireo izay maty nandritry ny adiny
tamin'ny tsy silamo, tsy mpanaradalana na mpikomy dia maty maritiora na toy
inona nahafaty azy na toy inona. Ireo izay tsy mahafeno farafaratsiny ny iray
amin'ireo fepetra ireo dia tsy alevina amin'ny fomba fandeenana maritiora
tonga lafatra (Yuce, 32-36).
Ny mpino vonoina tsy andrariny dia miditra mivantana ao amin'ny sokajin'ny
maritiora tonga lafatra. Eny amin'ny sahan'ady, izay maty amin'ny ady arabatana manoloana ny fahavalo koa dia maritiora na dia izay mahatifi-tena tsy
fanahiniana aza na izay matin'ireo namany tsy nahy na ireo izay nianjera teny
amin'ny sovaliny ka naratrany mafy na voahitsany ny soavalin'ny silamo na
tsy silamo, na izay voatsatoky ny zanatsipika very, na iza na iza maty tsy
nahitana antony mazava aorian'ny ady (na tsy naratra aza izy), dia heverina
ho maritiora avokoa ary alevina arak'izany. Tsy hoe akory azo soloina amin'ny
fitaovana maoderina ankehitriny mba hanatsoahana fitsarana sahala
amin'izany ireo fitaovam-piadiana taloha (soavaly, zanatsipika).
Ireo izay maty tampoka noho ny fanafihan'ny fahavalo ny tananany ireo izay
vonoina tsy ara-dalana, izay maty nandriry ny fanavotany olona, na tamin'ny
fanafihana ny tranony na teo amin'ny asany, na ireo novonoin-drainy tsy
tamim-pitandremana ihany koa dia maritiora (Sarakhsi 2,52). Raha miady
amin'ny vodnrona iray ny vodnrona iray, na dia fantany aza fa silamo ity
farany dia amritiora koa izay maty tamin'ny fiarovan-tena satria izy dia maty
tao amin'ilay toerana notafihina tamin'ny fiarovan-tena sy tamin'ny fiarovana
ny fiarahamonina silamo (Al-Ayni 3,307). Azo faranana fa ireo izay maty
tamin'ireo vondrona mpanafika dia tsy azo heverina ho maritiora avokoa fa
olon-doza mpanonta.
Ny maritioran'izao tontolo izao
Ireo izay maty nandritry ny ady tamin'ny fahavalo ka nahazo ny
fombafombam-pandevenana fanao amin'ny maritiora tonga lafatra kanefa tsy
maritiora tamin'izany sy tsy nahazo tombotsoa ho maritiora dia antsoina hoe
«maritioran'izao tontolo izao». ansian'ireo vondrona ireo izay nitsoaka an'ady
ka maty na nanolo-tena ho amin'ny fandrika[1], na ny tena tao antsaina dia tsy
ny fankatoavan'Andriamanitra fa ny mba ho hita fotsy na hamaly faty, na
miady hoan'ny foto-kevitra toy ny marksisma izay manohitra ny fotokevitra
silamo, na koa ny fitiavana ny fananan'ity tany ity (Zuhayli 2,560). Satria
sarotra dia sarotra ary tsy azo atao ny mamaritra ireo rehetra ireo ka atao ho
toy ny maritioran'izao tontolo izao ireo olona ireo. Raha mikasika ny anjarany
any ankoatra idnray dia hoy ny famaritan'ny Mpaminany azy: «Ny olona
voalohany izay melohin'ny fitsarana ho tsy mendrika amin'ny andro farany dia
marituiora sandoka. Entina ho any toerana hanehoana aminy ny valisoa
sahaza azy izy. Avy eo amnontany azy Andriamanitra hoe: «Inona no
nataonao mba hahazoana ireo tombondahiny ireo?» hamaly izy hoe «Niady
ho anao mandrapianjerako ho maritiora aho» Ary manambara Andriamanitra
hoe: «Mandainga ianao! Niady ianao mba ho lazain'ny olona ho mahery fo!»
Izany no nolazain'izy ireo teny antany. Avy eo mandidy ny hitondrana io olona
io any amin'ny afobe Andriamanitra ary aelany hitsiriritra ny endriny».[2]
Ao amin'ny hadita iray hafa dia ampiasaina izao fomba fiteny izao: (mba
hamaritana ny fepetra naha maritioran'izao tontolo izao any ankoatra):
anontaniana mikasika izay olona niady mba hahazoan-karena, homemboninahitra ho be herim-po, na noho ny antony fanavakavahana ara-drazana
na fitiavana an-jambany, ary na ziany aza mbola heverina ho niady hoan'ny
fitiavan'Andriamanitra, ny Mpaminany. Hoy ny valinteniny: «Ireo izay niady
mba
hametrahana
ny
tenin'Andriamanitra
dia
teny
amin'ny
lalan'Andriamanitra».[3] Tsy maintsy misy zavatra iray hazavaintsika eto: ny
fisainana marina dia ny tsy maintsy hahazoana ny fankatoavan'Andriamanitra
sy hanomezam-boninahitra ny fivavahany; ny olona izay miasa ao amin'io
lalana io koa dia afaka miady amin'ny antony hafa ilaina amin'ny tanjona
mitovy. Amin'io lafiny io dia mbola heverina ho maritiora ihany. Na dia izany
aza anefa dia tsy maintsy mitandrina fatratra amin'ny fahamendrehan'ny fo sy
ny fiheverana ary tsy manao ambany maso tsy hita ny tanjon'ny ady.
Indray andro nangataka ny Mpaminany: «Iza aminareo no milaza tena ho
maritiora?» namaly ny olona nanodidina azy hoe: «Ireo izay novonoina
tamin'ny fitaovam-piadiana» dia mbola hoy izy: «Maro ireo izay novonoina
tamin'ny fitaovam-piadiana fa tsy maritiora avokoa anefa izy ireo; ary maro
koa ireo izay maty teo ampandriany kanefa mahazo ny voninahitra fanome ny
«siddâq, sy ny maritiora» (Al-Isfahani 8,251).
Ao amin'ny hadita iray hafa dia misarika ny saina amin'ny lzoa ateraky ny
fahazaran-dratsy izy. Ireo izay nanozona mandrakizay ny manodidina azy dia
tsy hombana amin'ny andron'ny fitsarana farany ary tsy heverina ho toy ny
maritiora».[4] Maro ny olona sasany ankehitriny no milaza ho miasa hoan'ny
soa toavina masina ary tsy faly amin'ny fanapariahana fanahy ratsy amin'ireo
izay misaina toa azy na ireo tsy manohana azy, mandeha hatrany amin'ny
fanamelohana azy ho tsy mpino na mino Andriamanitra maro. Mazava ho azy
anefa fa mampididoza ny fomba fiasa toy izany. Rehefa voatevateva ho tsy
mpino anefa ny olona mpino iray dia ilay mpanevateva ihany no heverin ho
tsy mpino.[5] Hoy ny CORAN:
«Ry mpino! rehefa mivoaka hiady eny andalan'Andriamanitra ianareo, hereo
tsara (aza maika ianareo) ary aza mba milaza na iza na izay amin'izy
arabainareo (amin'ny fomba silamo): «Tsy mpino ianao». (an-Nissa 4:94).
Fa io andininy io tsy manamarina ny famonoana na iza na iza notondroin'ny
fiarahavany fa silamo izy. Mbola ady hevitra lava ny famonoana silamo
amin'ny fanaovana vivery ny aina manoloana io lafin-kevitra io.
Ny maritioran'ny any ankoatra
Olona novonoina tamin'ny fomba namonoana ny maritiora tonga lafatra ihany
izy ireo kanefa tsy nahafeno ireo fepetra 6 oalaza teo aloha. Tsy azo heverina
ho toy ny «maritioran'izao tontolo izao» anefa izy ireo fa sokajiana ho
anisan'ireo maritioran'ny any ankoatra. Ireo izay antsoina ho maritiora amin'ny
Mpaminany sy ireo maty tsy novonoina dia tafiditra ao amin'io sokajy io.
Anisan'ireo ny Mpaminany sy Abou Bakr satria ny poizina izay nateliny tany
Haïbar dia loza taminy. I ‛Omar sy ‛Ali koa dia heverina ho maritioran'ny any
ankoatra satria nafindra toerana hafa tsy teo amin'ilay naharatrany. Ankoatra
izany dia lazaina fa ny fetra ambony indrindra amin'ireo sokajina maritiora ireo
–ankoatry ny an'ny Mpaminany masina– dia ny an'I ‛Omar.[6]
Ny maritioran'ny any ankoatra dia alevina amin'ny fombam-pandevenan'ny
silamo rehetra, izany hoe sasana ny fatiny, fonosan-damba ary anaovana ny
vavaka fanao amin'ny fandevenana. Hitovy hevitra avokoa ireo manampahaizana amin'io lafiny io. Na dia izany aza dia atao toy ireo maritioran'ny
any ankoatra izy ireo. Faritor-javatra maro no nampatsiahivin'ny Mpaminany
ireo izay tao amin'ny fiarahamoniny ka maritiora. Na dia tsy manavaka ny
maritiora tonga lafatra sy ny maritioran'ny any ankoatra rieo hadita ireo dia
nanosika ireo manam-pahaizana hanao fanavahana rieo zavatra nataon'ny
Mpaminany.
Rehefa dinihina ny hadita mikasika ireo izay voatondro ho maritiora kanefa
nalevina tamin'ny fomba tsota, dia iray sokajy amin'ireo maritioran'ny any
ankoatra, hita fa ireo vondrona ireo dia foronin'ny maritiora voafaritra etsy
ambony sy ireo izay niharan'ny fahafatesana vokatry ny aretina mafy,
fahafatesana tsy azo ialana na dia nihazaka toy inona aza, fahafatesana noho
ny fangirifiriana sy ny voina tsy zaka, fahafaesana noho ny lozampifamoivoizana, na tonga nandritra ny fanoherana ny jadona, na tamin'ny
fifatorana mafy tamin'ny fivavahana, na tamin'ny tsy fahampian'ny fananana
Andriamanitra
mahery
indrina,
izay
mahafantatra
ny
fahasahiranana
manontolo tsirairay hiaretan'ny mpino dia manome valisoa azy ireo ho
amin'ny laharan'ny maritiora rehefa maty noho ny fahasahiranana sy ny
fiharetana
izy.
Izany
no
azo
andrasana
amin'ny
famindram-pony.
Andriamanitra, ilay ambony indrindra, amin'ny alalan'ny famindram-pony tsy
manam-petra dia maniry hamela ny fahotan'ny mpanompony silamo sy
mampakatra ny laharany mba ahafahany miditra ao am-Paradisa sy homemboninahitra eo anatrehany. Ho amin'ny tanjona toy izany no nahariany ny
fitaovana isan-karazany. Mampahalala vaovao amintsika amin'ny alalan'ireo
fitaovana rieo amin'ny alalan'ny tenin'ny Mpaminany Mohammed izy.
Ny fanafihana amin'ny fanaovana vivery ny aina
Miainga amin'ireo vaovao ankapobeny voalaza tetsy ambony ireo dia afaka
mifantoka tsara amin'ny zavatra resahina dia ny fampihorohoroana, ny
fanafihana amin'ny fanaovana vivery ny aina sy ny fifandraisany amin'ny
maha maritiora.
Amin'ny fifotorana amin'ireo fanao voalazan'ny tantaran'ny finoana sil[7], dia
nametraka lalàna ireo mpahay lalàna sy manam-pahaizana silamo:
«Tsy ara-dalana hoan'ny olona iray ny miditra ankeriny ao anaty vahoaka
fahavalo sy ny manafika azy ireo ao amin'ny toerana izay heveriny fa
ahafahana mivoaka na izy koa tsy afaka manantena zavatra toy izany, mety
hampihatra loza amin'ny fahavalo izy farafaharatsiny, mandemy ny sainy,
mandrisika ny namany, na amin'ny alalan'ny hery miavaka tsapany ao aminy,
na koa izy gadra izay miharitra famoretana ka matahotra ny hamoaka vaovao
miafina» (ach-chïbânî 4/1512).
Ny fandinihana tsara io fatwa io dia ahatarafana fepetra telo ilaina mba
hanekena ho maritiora:
1- Ny maritiora dia tsy maintsy ao amin'ny faritoe-javatry ny ady. Takiana ny
fisian'ny tafika roa ary tsy maitnsy efa vonona ny tafika ary amin'ny fahavalo
sy efa vonona hiatrika ny ady.
2- Izay mikarakara fanafihana dia tsy voatery ho faty.
3- Ny fahafatesana dia tsy maintsy avy amin'ny andaniny mifanohitra.
Ny vidin'ny fahombiazana
Ireo izay misafidy ny fanafihana amin'ny fanaovana vivery ny aina dia
mihevitra fa tsy misy fomba hafa mahomby intsony. Manamarin-tena izy ireo
amin'ny filazana mialoha fa manana tombon-dahany tsy azo ampitahaina ny
andaniny mpifanandrina ary ambony dia ambony amin'ny isa, fitaovampiadiana, fitaovana hafa, fanazaran-tena ara-miaramila sy tohana amin'ny
haino aman-jery. Misy vokany roa io lafin-kevitra io:
1- Tsy misy fanavahana vita eo amin'ny tanjona sy ny fitaovana hanatrarana
izany; misy fifangaroana eo amin'izy roa ireo. Hoan'ny mpino dia tsy maitnsy
ara-drariny ny tanjona sy ny fitaovana ampiasaina, dia tsy maintsy ara-drariny
ny tanjona sy ny fitaovana ampiasaina, tsy mahazo miataka amin'ny andaniny
ny ankilany. Ary satria ny tanjona ambony indrindra dia ny hahazo ny
fankatoavan'Andriamanitra, ny faniriana hahazo vokatra amin'ny lafiny rehetra
dia tsy mahazo sy tsy mahasoloilay voalohany.
2- Raha azo ampiasaina ny fitaovana rehetra na toy inona vidiny na toy inona
mba hanampy amin'ny fahazoana vokatra dia manokatra lalana ho amin'ny
asa tsy mifanaraka amin'ny maha olona sy tsy ara-dalana toy ny fampiasana
ny fijangajangana na ny fanapoizinana amin'ny zavamahadomelina mba
hamotehana ny fahasalamana ara-moraly sy ara-tsainan'ny fahavalo izany,
tonga hatramin'ny famonoana amin'ny fomba hafa mba hitsitsiana ny eo
ampelantanana. Na dia izany aza, ny fivavahana sy ireo Mpaminany izay
nalefa mba hitarika ny olona amin'ny fahasambarana eto an-tany sy any andanitra dia tsy nampiasa na oviana na oviana fomba tsy mifanaraka amin'ny
maha olona na mankatoa ny asa toy izany. Ny mifanohitra amin'izany,
nandidy ny lalam-pandriampahalemana izy ireo, tsy mba nihevitra ny ady
ratsy tsy efa tamin'ny ora farany tsy maintsy nilana ziany izy ireo. Ny maritiora
dia laharana tsy mety ho tratra raha tsy manaraka ny fotokevi-pivavahana, tsy
amin'ny fialonana sy ny valifaty. Tsy maintsy marina ihany koa ny fomba
ampiasain'ny silamo ary mendrika ny tanjona tiany ho tratrarina.
3- Ankoatra izany, tsy mahazo mihoatry ny vala ny silamo na dia amin'ny
fotoanan'ny ady aza: «Miadiva ao amin'ny làlan'Andriamanitra amin'izay
miady aminareo ary aza mandika izany. Marina, tsy tian'Andriamanitra ny
mpandika lalàna!» (al-Baqara 2:190). Manazava fohifhy io andininy io I Sayyid
Quib:
«Ny fandikan-dalana dia mety ho hita toy ny mikendry vehivavy, zaza, antitra
sy ireo relijiozy na inona fivavahany na inona sy ny fiandohan'ny fifantohany
amin'ny fiderana, sy ireoolon-drehetra mendri-pitokisana sy tsy manohitra izay
tsy mandray anjara amin'ny ady ary tsy miteraka loza amin'ny fampitana ny
finoana silamo na hoan'ny fiarahamonina silamo. Izy koa (ny fandikan-dalàna)
dia mety ho ao anatin'ny fandikana ny fifanarahana amin'ny ady mba
hanakelezana ny halozan'ny ady na ankehitriny na omaly. Ireo fahabibiana
ireo dia ny heloka mahatsiravina izay lavin'ny fatsiarovan'ny silamo sy tsy
ankasitrahan'ny famindram-po silamo».
Rehefa avy nilaza ny fomba fanaon'ny Mpaminany sy ireo mpanaradia azy I
Sayyid Qut dia namarana hoe:
«Nahatsapa tsara ny silamo fa tsy nahazo fandresena raha mikasika ny
hamaroan'isa satria vitsy izy ireo. Fantatr'izy ireo koa fa ny fandreseny dia tsy
avy amin'ny fahamboniana ara-pitaovam-piadiana satria vitsy ny fitaovampiadiana nananany noho ny an'ny fahavalony. Nandresy noho ny finoany izy
ireo, ny fifantohany tamin'Andriamanitra sy ny fanampian'Andriamanitra
nomeny azy ireo. Noho izay raha nanao fihetsika mifanohitra tamin'ny baiko
nomen'Andriamanitra sy ny Mpaminany izy ireo dia tsy ho nandresy na oviana
na oviana. Izany no antony hanajany tsara ireo lalanan'ny ady voalaza tery
ambony ireo na dia eo anoloan'ireo fahavalo tena nampitondra faisana azy
aza na namono ny sasany tamin'ireo namany rehefa avy nampijaly azy
fatratra» (Qutb, fandalinana ny andininy 2:290).
Ireo karazana fanaovana fanafihana amin'ny fanaovana vivery ny aina
Rehefa dinihana ny fanaovana fanafihana amin'ny fanaovana vivery ny aina
nitranga teto an-tany dia tsikaritra fa misy karazany roa miavaka:
1- Ao ny fanafihana fanaovana vivery ny aina, izay voahomana tsara ary
ataon'ny olona voatondro ao amin'ny tafik'ireo firenena roa mifanohitra
amin'ny ady. Amin'ny fomba roa no azo anatanterahana olombelona
fanafihana io:
a) Olona iray na vondron'olona no manafika vondrona lehibe avy amin'ny
mpifanandrina aminy na toby miaramila amin'ny alalan'ny fiaramanidina na
fiara mifono vy, na grenady… Ny ohatra notsoahina avy tamin'ny tantaran'ny
silamo dia manamafy ny asa sahala amin'izany ary ny olona ziay mitarika io
fanafihana io dia heverina ho toy ny maritiora raha maty amin'io fotoana io.
Amin'io karazan'asa io anefa, ny mpanafika dia mety ho velona.
b) Olona na vondron'olona mamatotra baomba amin'ny vatany na amin'ny
fiarany avy eo miolomay eny afovoany miaramila fahavalo tafiditra ao amin'ny
ady na ao amin'ny tobin'izy ireo ary manapoaka ny baomba amin'izay avy eo.
Tsy azo atao io karazam-panafihana io raha tsy efa misy fepetra tena
voafaritra, izay apetraky ny mpahay lalàna silamo ary tsy azo atao raha tsy
mandritry ny ady iray. Raha ankoatra ireo faritoe-jaatra ireo dia tsy azo ato
mihitsy ny fanafihana toy izany ary heverina ho toy ny asa mamoafady tsy
maintsy melohina tanteraka. Misy fanafihana sasany atao any amin'ny
firenen-kafa na tsy amin'ny fotoanan'ny ady aza, firenena izay mamela ny
mpanatanteraka io fanafihana io ho ao amin'ny fireneny (misy na tsy misy
alalana), firenena manome alalana ny olom-pireneny ny firenen-kafa hiasa,
hianatra, hipetraka, hanorina orin'asa, hifanambady –misy fepetra vitsivitsyho olom-pirenen'io firenena io. Amin'io lafiny io, ny firenena hitrangan'ny
fanafihana dia mandray ny mpifanandrina ho eo ambany fiharovany, manome
alalana azy roa hiditra sy honina ao. Midika ho fandikan-dalana sy heloka ny
fandikana io filaminana io sy fandikana ny fanomezan-dalana nomena
(amin'ny fomba fitenin'ireo manampahaizana mikasika ny lalàna silamo,
lazaina
ho
famadihana
hanoherana
mpialokaloka
sy
manohitra
ny
fahalalahana hivezivezy). Tsy azo atao izany. Ibn Hajar Haythami dia
mihevitra ny famonoana azy io na ireo izay nanaovana fifanarahana, ho iray
amin'ny fahotana lehibe indrindra (az-Zawâjir 2, 153).
2- Ireo fanafihana ireo na natao hikendrena olona avy any ivelany na amin'ny
olom-pirenena na miaramilan'ny firenen-kafa ifanandrinan'ny mpanafika, dia
tsy azo atao na azo heritreretina. Ny mpanao ny fanafihana araka izany dia
tsy azo heverina ho maritiora. Fanampiny, ny mpanao heloka toy izany dia
meloka koa ho:
a) Mamono tsy manantsiny,
b) Mamadika sy manimba ny fanjakana izay nanome alalana azy,
c) nahatonga faharavana tamin'ny fananan'ny tsy manantsiny,
d) raha silamo ilay mpanao vivery ny aina dia manamatroka ny endriky ny
fivavahana silamo,
e) mamadika ny firenena nihaviany ary mametraka olana ho azy eo amin'ny
sehatra iraizam-pirenena,
f) mampiharitra sy mampijaly ny fianakaviany,
g) manampy ny fahombiazan'ireo tambanjotram-panao heloka be vava
iraisam-pirenena,
h) (raha silamo izy) mahatonga ny fifalian'ireo fahavalon'ny silamo ary
hamaranana azy,
i) Tompon'andraikitra amin'ny heloka tsy azo avela.
Raha amin'ny haratsiana sy amin'ny halebeazan'ny fahotana mifototra
amin'ny famonoantena sy amin'ny famonoana ny tsy manantsiny (silamo na
tsy silamo) eo anatrehan'ny fivavahana, nijanona ho any ivelan'ny resatsika
izany.
Famaranana
Mazava fa ao amin'ny sehatry ny hevitra voalaza etsy ambony dia tsy manantoerana ao amin'ny finoana silamo ny fanafihana amin'ny famonoan-tena ary
tsy maintsy foanana ireo fepetra izay miteraka ny fanafihana toy izany.
Prof. Abdulhakim Yuce – Professeur d'Histoire du Soufisme, Université
Yuzuncu Yıl, Van.
[1] Mouslim, al-Imâm, 182.
[2] Mouslim, al-Imâm, 152; Nassai, al-Jihâd, 22.
[3] Boukhari, al-Jihâd, 15; Mouslim, al-Imâm, 149-151.
[4] Mouslim, al-Birr, 85, 86; Abou Dawoud, al-Adab, 45.
[5] Boukhari, al-Adab, 44.
[6] Imam Malik, Mouwatta', «al-Jihâd», 36.
[7] Cf. Boukari, al-Jihâd, 12; Mouslim, al-Imâra, 145; Ibn Athir, 1/206; Ibn
Hajar, 1/144.

Benzer belgeler

Omena enimbolana ny rehetra

Omena enimbolana ny rehetra And. 42 - Ireo antoko politika niforona amin'ny vaninandro amoahana hanan-kery ity lalàna ity dia tsy maintsy manaraka antsakany sy andavany ireo fepetra voalaza ao anatiny.

Detaylı

didim-panjakana anendrena ny mambra ao amin`ny governemanta

didim-panjakana anendrena ny mambra ao amin`ny governemanta And 2.- Foanana ary dia foana ny fepetra rehetra teo aloha mifanohitra amin’ny voalazan’ity didim’panjakana ity. And 3.- Noho ny hamehana ary araka ny voalazan’ny andininy faha-4 sy faha-6 andalana...

Detaylı

Documents/Marmaris Yellow Pages with columns

Documents/Marmaris Yellow Pages with columns Ahu Hetman Hospital Phone 0533-815-10-90 Dr. Sahir Oktan General Surgeon Ahu Hetman Hospital Phone 252-413-14-15

Detaylı